4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny any tanana - Tonton Pa

          Ny any TANANA

Na dia mamy aza ny any Tanana,

indrisy fa voatery ialana,

Dada sy neny mba fiantahantana,

Zoky sy zandry no atao fanalana,

Rasipakely ilay nahatamana, tsy hadino.

Tsy hadino nadia ela tsy hita ,tsy hadino,

Indray andro any mbola hifakahita,izaho mino.

    Tsy hadinoana ny andro fiasana

    Fasahirana amin’ny fanetsana

    Ny hafaliana eo ampijinjana

    Ny valin-tanana no mbola higagana

    Ny rivotra any maha salama, tsy hadino,

    Ny jro dia tara-bolana mazàna ,indrisy!

    Tsy misy azy mantsy ny Tanana ,tsy misy!

REF:

    Ny amoropatana isak’ariva,

    Fatratra ery tsy fahita aty

    ny vero-manitra sy fofon’oliva

    mbola fy!!

    Ny ramanonak’ilay vao mafana

    Matsiro ery ,tsy fahita aty

    Ny hanikotrana aleo dia hialana ,

    Mbola mamy.

Na dia maro aza ny faharavana,

Doro tanety ,rivo-doza tsy tana,

Manampy trotraka ny efa fahatrana ,

Tsy afa manoatra hono Rafanjakana

Mbola mahatoky anao ry tompo hivavahana ,mahatoky

Tsy tsaboana ny finoako handroso, atsy ho atsy,

Ny herin-tsaina sy ny voton’ny foko, hifampy.

    Raha izaho no eo amin’ ny fitondrana

    Tsy maintsy ho avotra ianao ry tanana

    Jiro sy rano aloha tsy hisalasalana

    Ny lalantsika koa moa ara-dalana

    Ny mponina amin’izay ho tamana, satria !!

    Ho foanana avokoa ireo dahalo mpandroba

    Haverintsika ihany koa ireo takalo ,ka hiova

ref:

   Ny amoron-patana isaky ny hariva

   ..................................





                               TONTON PA

"atolotro ho anareo izay tsy eto an-Tanidrazana"

    


Partager ny any tanana

Commenter ny any tanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tonton Pa